M๐๐ฃ๐๐ง๐๐ฎ ๐๐ฃ๐๐๐ง๐ ๐๐ข๐๐ฃ’๐ฃ๐ฎ ๐ผ๐ฉ๐ง๐๐ ๐๐จ๐ ๐๐๐ข๐๐ง๐๐ฃ๐๐ฃ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐ก๐๐ฏ๐๐ฃ’๐ฃ๐ฎ ๐ ๐๐๐ ๐ข๐๐ก๐๐๐๐จ๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐จ๐๐ฉ๐๐ง๐๐ฃ’๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ง๐ค๐ฉ๐ง๐ ๐จ๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐๐๐๐ฃ๐ (๐๐๐ฃ๐พ๐พ).
Solontena avy amin’ny sehatra samihafa, manerana ny Nosy, no namaly ny fanasร n’ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fahaleovantena ara-tsakafo (MIASA) hiatrika ny atrikasa nasionaly ho fanomanana ny fandaharan’asam-pirenena hanatsarana ny fifaninanana eo amin’ny sehatry ny kafe eto Madagasikara.
Mpandray anjara avy amin’ny Minisiteran’ny Varotra sy ny Fanjifana ny Talen’ny Fampiroboroboana ny Varotra ivelany (DPEE), ny Lehiben’ny Sampandraharahan’ny Kalitao sy ny Famonosana (SQC) ary ireo Talem-paritry ny Varotra sy ny Fanjifana (DRCC) any amin’ireo Faritra voakasiky ny sehatry ny kafe toa an’Itasy, Vakinankaratra, Amoron’i Mania, Vatovinany, Matsiatra Ambony ary Atsimo Atsinanana.
Izarร n’ireo solontena avy amin’ny MinCC ny traikefany ireo lafiny mifandraika amin’ny kalitao, fanomezana lanja ny vokatra, fampitomboana ny fifaninanana ary ny fahazoana miditra amin’ireo tsena, izay fototra manan-danja amin’ny fampandrosoana maharitra ny sehatry ny kafe eto Madagasikara.
