๐๐๐ฃ๐๐จ๐๐ฃ’๐ฃ๐ฎ ๐๐ค๐ฃ๐๐ง๐ค๐ฃ’๐๐ง๐๐ค ๐ข๐ฅ๐๐ฃ๐ค๐ฃ๐๐ง๐๐ฃ๐ ๐ก๐๐ฉ๐๐จ๐๐ (๐๐๐) ๐ฃ๐ฎ ๐๐ฃ๐ ๐ค๐ก๐๐๐ฎ ๐ง๐๐๐๐ฉ๐ง๐ ๐ซ๐ค๐๐ ๐๐จ๐๐ ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐ฟ๐๐ฃ๐๐ ๐ ๐๐๐ฃ๐๐ฉ๐จ๐๐ง๐๐ฃ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐๐-๐ฅ๐๐๐๐ง๐๐๐ฃ๐ ๐๐๐ฉ๐๐จ๐๐. ๐๐๐ฃ๐ค๐ ๐๐ฉ๐ง๐ ๐๐ฏ๐๐ฃ๐ฎ ๐ฉ๐๐ฃ๐ฎ ๐๐ค๐๐ข๐๐จ๐๐ฃ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐จ๐๐ฉ๐ง๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ง๐ค๐ฉ๐ง๐ ๐จ๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐๐๐๐ฃ๐, ๐๐๐๐ฃ๐๐ค๐ฉ๐๐๐ฃ๐ ๐ผ๐๐ฟ๐๐๐ผ๐๐ผ๐ฟ๐๐๐๐.
Madagasikara no laharana voalohany maneran-tany amin’ny fanondranana letisia. Ny 35%-n’ny vokatra letisia aondrana eo amin’ny tsena iraisam-pirenena dia avy eto Madagasikara.
Fianakaviana malagasy 100000 no mivelona amin’ny asa letisia.
Na eo aza ny toerana misy an’i Madagasikara amin’ny fanondranana letisia dia niantsoan’ny GEL ny tantsaha mpamboly, mpanodina, mpanondrana letisia, rafitra samihafa voakasika ny Dinika nasionaly momba ny letisia any Toamasina nanomboka androany. Anisan’ireo mandray anjara amin’izany koa ireo teknisiana avy amin’ny Minisiteran’ny Varotra sy ny Fanjifana (MinCC).
Nambaran’ny Minisitra Haingotiana ANDRIAMADISON, nandritra ny lahateny fanokafana ny Dinika fa ny fanavaozana entina eo amin’ny letisia dia ny fanatsarana amin’ny alalan’ny fametrahana fototra hahafahana miaro ny Seha-pihariana. ยซย ๐๐ข๐ฏ๐ซ๐ฐ๐ฏ๐ข ๐ฏ๐บ ๐ง๐ข๐ฏ๐ข๐ง๐ฐ๐ข๐ฏ๐ข๐ฏ๐ข ๐ฏ๐บ ๐ข๐ฎ๐ฑ๐ช๐ฉ๐ช๐ฎ๐ข๐ฎ๐ฃ๐ข ๐ด๐บ ๐ง๐ช๐ต๐ณ๐ข๐ฏ๐ฅ๐ณ๐ข๐ฉ๐ข๐ฏ๐ข ๐ต๐ด๐ฆ๐ฏ๐ข๐ฎ-๐ฃ๐ข๐ณ๐ฐ๐ต๐ณ๐ข ๐ช๐ณ๐ข๐ช๐ด๐ข๐ฎ-๐ฑ๐ช๐ณ๐ฆ๐ฏ๐ฆ๐ฏ๐ขย ยป, hoy izy tao amin’ny PACT Toamasina. Tsy vokatra fotsiny fa fidiram-bola ho an’ny tantsaha sy ho an’ny kitapom-bolam-panjakana ny letisia, ankoatran’ny maha-asa fandraharahana azy.
Niadian-kevitra tany amin’ny asam-baomiera ny lohahevitra samihafa hanatsarana ny Seha-pihariana letisia toy famokarana, ny kalitao, lalam-barotra. Ho ampandalovina amin’ny vaomiera mpanara-maso ny soso-kevitra hivoaka amin’ny Dinika nasionaly mialoha ny itondrana azy manoloana ny Filankevitry ny Governemanta sy Filankevitry ny Minisitra.
Nasongadin’ny Filohan’ny GEL, Roland RATSIRAKA, fa fomba fiasan’ny Vondron’ireo mpanondrana letisia ankehitriny ny mangarahara. ยซย ๐๐ข ๐ฏ๐บ ๐ณ๐ฆ๐ด๐ข๐ฌ๐ข ๐ฒ๐ถ๐ฐ๐ต๐ข ๐ข๐ป๐ข ๐ฅ๐ช๐ข ๐ฏ๐ฐ๐ฉ๐ข๐ต๐ด๐ข๐ณ๐ข๐ช๐ฏ๐ข ๐ฌ๐ข ๐ข๐ฏ๐ข๐ฐ๐ท๐ข๐ฏ’๐ฏ๐บ ๐ณ๐ฆ๐ฉ๐ฆ๐ต๐ณ๐ข ๐ด๐ฐ๐ฏ๐ช๐ข ๐ฏ๐บ ๐ง๐ช๐ป๐ข๐ณร ๐ฏ๐ข ๐ช๐ป๐ข๐ฏ๐บย ยป, hoy izy.
