๐๐๐ข๐๐ฃ’๐ฃ๐ฎ ๐๐ก๐๐ก๐๐ฃ’๐ฃ๐ฎ ๐๐ฉ๐ง๐๐ ๐๐จ๐ ๐ฃ๐ค ๐ฃ๐๐ฃ๐๐ข๐๐๐๐จ๐๐ฃ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐๐๐๐ฏ๐-๐ข๐๐ฃ๐๐ค๐ฃโ๐๐ง๐๐ค ๐๐๐ฉ๐๐ก๐๐๐ซ๐๐ข-๐ฅ๐๐ง๐๐ฉ๐ง๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ง๐ค๐ฉ๐ง๐ ๐จ๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐๐๐๐ฃ๐ ๐ข๐ค๐ข๐๐ ๐๐ง๐๐ค ๐๐๐ฉ๐๐ค๐ซ๐๐ฃ๐ ๐๐๐ข๐ฅ๐๐๐๐ง๐๐ฃ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐๐พ๐ผ๐, ๐จ๐ฎ ๐๐ค ๐๐๐ฃ๐ค๐๐๐ฃ๐๐ฃ๐ ๐๐ง๐๐ค ๐ข๐ฅ๐๐ฃ๐๐ง๐๐๐๐ง๐๐๐ ๐๐ง๐-๐ฉ๐ค๐๐ ๐๐ง๐๐ฃ๐.
Ny ZLECAf dia maneho tranga lehibe fanararaotra sy manan-tantara ho anโny Kaontinanta afrikana, ary indrindra ho anโi Madagasikara.
Aminโny fampivondronana mpanjifa mihoatra ny arivo tapitrisa, dia manokatra lalana ho aminโny fanitarana sy fanamaroana ireo tsena hanondranantsika entana, ho aminโny fanamafisana ny fifaninanantsika, ary ho aminโny fampidirana bebe kokoa ireo mpandraharaha ara-toekarena malagasy ao anatinโireo rojom-pamokarana sy rojom-pihariana isam-paritra sy manerana ny Kaontinanta ny ZLECAf.
Nandritry ny roa andro dia nanana fahafahana nampitombo sy nandalina kokoa ny fahatakarana ireo foto-kevitra sy ireo rafitra mifehy ny ZLECAf ireo Fitaleavam-paritra.
Nifankazatra bebe kokoa taminโireo fitaovana fampiharana ny ZLECAf izy ireo, anisanโizany:
โข ireo tombontsoa ara-ketra aminโny fanafarana sy fanondranana (prรฉfรฉrences tarifaires);
โข ireo fitsipika mamaritra ny fiavianโny entana (rรจgles dโorigine);
โข ireo fepetra tsy ara-ketra (mesures non tarifaires);
โข ary ireo fitaovana nomerika izay manamora aminโizao fotoana izao ny fahazoana vaovao momba ny varotra : Livre tarifaire ZLECAf, Mรฉcanisme des barriรจres non-tarifaires, Systรจme de paiement panafricain, Observatoire africain du commerce ary ny trademap.
Nandritry izany ihany koa dia nisy ny fampahafantarana ny plateforme ยซ Al alana ยป, izay fitaovana entina manatsara ny fanomezana fahazoan-dalana hanondrana vokatra toy ny lavanila sy jirofo mankany ivelany.
Marihina fa ity atrikasa ity dia notohananโny tetikasa PA-ZLECAf izay vatsianโny Banky Afrikana momba ny Fampandrosoana (BAD) vola. Tetikasa manohana hatrany ny fanatanterahana ny ZLECAf eto Madagasikara.
