๐๐ค๐ข๐๐ฃ๐ ๐๐๐ค๐๐๐ฃ๐๐ฃ๐ ๐ข๐ค๐ข๐๐ ๐ฃ๐ฎ ๐ฉ๐๐ ๐ฃ๐๐ ๐ ๐๐๐ฃ๐๐ค๐ซ๐๐ฃ๐ ๐๐๐ฃ๐๐๐๐๐๐๐๐๐ฃ๐ ๐๐ง๐๐ค ๐ ๐๐ค๐ข๐๐จ๐๐ง๐ ๐จ๐ฎ ๐ข๐ฅ๐๐ฃ๐๐ง๐๐ข๐๐จ๐ค ๐ฃ๐ฎ ๐ซ๐๐ง๐ค๐ฉ๐ง๐ ๐จ๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐๐๐ฃ๐๐ฃ๐๐ฃ๐๐ฃ๐ ๐๐ฉ๐ค ๐๐ข๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐จ๐๐ฉ๐๐ง๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ง๐ค๐ฉ๐ง๐ ๐จ๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐๐๐๐ฃ๐ (๐๐๐ฃ๐พ๐พ)
ยซ ๐๐ฑ๐ฆ๐ต๐ณ๐ข๐ฌ๐ข ๐ฏ๐บ ๐ฎ๐ข๐ฉ๐ข-๐ฎ๐ข๐ต๐ช๐ฉ๐ข๐ฏ๐ช๐ฏ๐ข ๐ข๐ฏ๐ต๐ด๐ช๐ฌ๐ข ๐ข๐ณ๐บ ๐ฑ๐ฐ๐ณ๐ฐ๐ง๐ฐ๐ช๐ฏ๐ต๐ด๐ช๐ฌ๐ข ๐ข๐ฎ๐ช๐ฏโ๐ฏ๐บ ๐ฎ๐ฑ๐ข๐ฏ๐ซ๐ช๐ง๐ข ๐ง๐ข ๐ฆ๐ฐ ๐ช๐ด๐ช๐ฌ๐ข ๐ฎ๐ช๐ข๐ณ๐ฐ ๐ข๐ป๐บ ๐ช๐ณ๐ฆ๐ฐ. ๐๐ช๐ญ๐ข ๐ง๐ช๐ง๐ฆ๐ฉ๐ฆ๐ป๐ข๐ฏ๐ข ๐ฏ๐บ ๐ฑ๐ข๐ช๐ฌ๐ข๐ฅ๐บ ๐ข๐ฏ๐ฆ๐ง๐ข ๐ช๐ป๐ข๐ฏ๐บ ยป, hoy ny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana, Haingotiana ANDRIAMADISON, raha nanokatra ny fiofanana nomenโny Tonia mpampanoa Lalร na eo anivonโny Fitsarana ambaratonga voalohany eto Antananarivo, ho anโireo kaomisera sy mpanara-maso ny varotra sy ny fifaninanana.
Samy nahavita fianarana teny aminโny sekoly mpanofana ho kaomisera sy mpanaramaso ny varotra sy fifaninanana ireo mpandray anjara ary manana fahefana, araka ny Lalร na, hanao fanadihadiana momba ny heloka ara-barotra (Officier de police judiciaire). Ilaina foana anefa ny fanamafisana ny fahaiza-manao, hoy ihany ny Minisitra, ka maha-zava-dehibe ny fiofanana toy izao.
Niatrika ny fiofanana tetsy Mahamasina ireo mpikambana ao aminโny vondronโasa matihanina roa eto aminโny Minisiteranโny Varotra sy ny Fanjifana dia ny kaomiseranโny varotra sy ny fifaninanana, sy ny mpanaramaso ny varotra sy ny fifaninanana ary ireo Talem-paritry ny Varotra sy ny Fanjifana (DRCC) manerana ny Nosy.
Tanjona ny hanatsarana ny kalitaonโny fanaraha-maso ny tsena, hiantohana ny fanajana ny Lalร na ary hiarovana ny mpanjifa sy ny fifaninanana ara-drariny.
