๐๐๐๐ ๐๐๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐จ๐๐ฉ๐๐ง๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ง๐ค๐ฉ๐ง๐ ๐จ๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐๐๐๐ฃ๐ (๐๐๐ฃ๐พ๐พ) ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐ค๐ซ๐๐ฃ๐ ๐๐ฃ๐๐ง๐๐ข๐๐จ๐ค ๐ข๐๐๐ก๐ค๐๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ซ๐๐ง๐ค๐ฉ๐๐ฃ๐ ๐๐๐ฉ๐๐ค๐ซ๐๐ข-๐ฅ๐๐๐ฃ๐๐ง๐๐ฃ๐ ๐๐๐๐๐๐๐ฃ๐ ๐๐ข๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐ง๐๐ง๐๐ค๐ฉ๐๐ฃ๐.
Nandritra ny herinandronโny 10 Aogositra 2026, izany hoe tany aminโny iray volana lasa, no nanomboka ny hetsika fanaraha-maso ny vidinโny fitaovam-pianarana toy ny kahie, penina, fanipihana, fitaovana fanaovana faribolana, pensilihazo, gaoma ho anโny teto aminโny Faritra Analamanga.
Teny aminโireo mpanafatra entana no nidinana voalohany ka naharitra roa herinandro no nanatanterahana ny asa. Nojerena taminโizany ny masonkarenanโny fanafarana ireo fitaovam-pianarana ary natao kajikajy ny tombom-barotra azonโny mpanafatra. Notohizana teny aminโny mpambongady ny fanaraha-maso ka nifampiresahana taminโireo mpandraharaha raha hita fa nihoampampana ny tombom-barotra alainy.
Toy izao manaraka izao ny vidinโny kahie ara-drariny araka ny tatitra avy aminโny Fitaleavam-paritry ny Varotra sy ny Fanjifana (DRCC) Analamanga :
– 48 pejy โ Ar 700 (PF)
– 96 pejy โ Ar 1 200 (PF)
– 192 pejy โ Ar 2 250 (PF)
– 96 pejy โ Ar 2 500 (GF)
– 192 pejy โ Ar 4 500 (GF)
Any aminโny Faritra DIANA dia manohy tsy tapaka ny fanaraha-maso ny vidinโny fitaovam-pianarana ny ekipanโny Fitaleavam-paritra. Ny 09 Septambra 2026 lasa teo tao Antsiranana dia mpivarotra 5, mpamongady sy mpaninjara, no voatsidika.
– Manodidina ny 3000 Ar โ 5000 Ar ny 100 pejy – 200 pejy (PF) raha 5000 Ar โ 7500 Ar ny 100 pejy โ 200 pejy (GF).
ยซ ๐๐ด๐บ ๐ฏ๐ข๐ฉ๐ข๐ณ๐ข๐ช๐ด๐ข๐ฏ๐ข ๐ง๐ช๐ต๐ข๐ณ๐ข๐ช๐ฏ๐ข๐ฏ๐ข ๐ฎ๐ข๐ฉ๐ข๐ฌ๐ข๐ด๐ช๐ฌ๐ข ๐ฏ๐บ ๐ท๐ช๐ฅ๐ช๐ฏโ๐ฏ๐บ ๐ฌ๐ข๐ฉ๐ช๐ฆ ๐ฉ๐ข๐ต๐ณ๐ฆ๐ต๐ฐ ยป, hoy ny Talem-paritry ny Varotra sy ny Fanjifana DIANA. Ny kojakoja hafa dia samy manana ny vidiny arakaraka ny kalitaony.
Mifanaraka amin’ny vidy araka ny faktiora nividiananโny mpivarotra azy ireo fitaovam-pianarana any aminโny Faritra Itasy fa tsy nahitana fanararaotana, hoy koa ny avy aminโny Fitaleavam-paritry ny Varotra sy ny Fanjifana Itasy.
