๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐ : ๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐ ๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐๐๐๐๐
Notanterahina tao Ambohidahy, tao aminโny Minisiteranโny Varotra sy ny Fanjifana, ny Alatsinainy 10 Aogositra 2026, ny fivoriana niarahanโireo tomponandraikitra sy teknisianina avy aminโireo sampan-draharaha voakasika aminโny fandrindrana ny famatsiana vary eto aminโny firenena.Nandray anjara taminโny dinika ireo solontena avy aminโny Minisiteranโny Asa Vaventy, ny Minisiteranโny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra Tsy Miankina, ny Primatiora, ny Minisiteranโny Fambolena sy ny Fahaleovantena ara-tsakafo, ny INSTAT, ary ny Fitantanana ny hetra, niaraka taminโireo ekipa teknika eto anivonโny Minisiteranโny Varotra sy ny Fanjifana.
Notarihin-dRamatoa Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana, Haingotiana ANDRIAMADISON, ny dinika, izay nifantoka indrindra taminโny fandrindrana ny famatsiana vary sy ny fepetra ara-barotra mifandraika aminโizany.
Ny tanjona dia ny hahafahana mampifanaraka ny famatsiana aminโny tena filร nโny tsena, sady miaro ny famokarana eto an-toerana sy ny tombontsoanโny tantsaha.
Nohamafisina manokana ny filร na fiaraha-miasa akaiky sy fifampizarana antontanโisa iombonana ary azo itokisana eo aminโireo sampan-draharaha voakasika, indrindra mahakasika ny filร na vary eto aminโny firenena sy ny famokarana eto an-toerana. Ireo antontanโisa ireo no hanamora ny fandraisana fanapahan-kevitra mifototra aminโny zava-misy, mifanaraka aminโny toe-draharaha sy ny vanim-potoana, ary ahafahana mandrindra ara-potoana ny fepetra ara-barotra ilaina.
