๐๐๐ข๐ฅ๐๐๐๐๐๐ฃ๐ฉ๐๐ง๐๐ฃ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐ข๐ฅ๐๐ข๐ค๐ฃ๐๐๐๐ฎ ๐๐ง๐๐ค ๐๐๐ฅ๐๐ฉ๐ง๐ ๐ซ๐ค๐ฃ๐๐๐ข๐๐๐ ๐ ๐๐๐ฃ๐๐จ๐๐๐ฃ๐ ๐๐๐๐๐ฃ-๐ฉ๐จ๐๐ง๐๐ฃ๐๐ฃ๐ 20% ๐๐ข๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐ซ๐๐ง๐ฎ ๐๐๐๐ง๐๐ฃ๐ ๐จ๐ฎ ๐๐๐ฉ๐ง๐ ๐๐๐ฃ๐๐ข๐ฅ๐๐ฃ๐ฎ 5% ๐๐ข๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฏ ๐๐ ๐ก๐ช๐ญ๐.
Nanomboka taminโny 17 Jolay 2026 no nampiharana ireo fepetra vonjimaika ireo aminโny fanafarana vary ary araka ny vokatry ny fandinihana natao dia hampiharina mandritra ny efa-bolana izany. Hodinihina arakaraka ny fivoaranโny toe-draharaha ny mbola hanohizana azy na tsia.
Nisy ny fanazavana fampahafantarana taminโny antsipirihany ny momba izany fepetra izany taminโireo mpandraharaha mpamongady tetsy aminโny efitrano fivorianโny Minisiteranโny Varotra sy ny Fanjifana (MinCC) Ambohidahy. Nitarika izany ny Sekretera jeneralinโny Minisitera Gilchrist RAKOTOSON sy ny Tale jeneralinโny Varotra anatiny sy ny Fanjifana (DGCIC) Natolotriniaina FANOMEZANTSOA.
Navoitra fa napetraka izao fepetra vonjimaika izao ho fiarovana ny vokatra vary eto an-toerana sy hiantohana ny filaminanโny famatsiana ireo entana ilainโny vahoaka.
Nasaina nanambara ny tahirinโentana ananany ireo mpivarotra ambongadiny mba hahafahana manara-maso ny fisianโny entana sy mandrindra ny tsena.
